www.ambohimalaza-france.com  

Mise à jour : le 12/08/2012

DICTIONNAIRE HISTORIQUE DE GEOGRAPHIQUE DE MADAGASCAR


REGIS RAJEMISA-RAOLISON
Teraka tamin'ny 8 Mey 1913 tany Antsiranana ra¬ha niasa nanao raharaham-panjakana tany rany sy reniny: Edouard Rajemisa sy Victoire Razaivelo, fa ny tany fiaviany dia Ambatoroka sy Ankadindambo-Am-bohimangakely (Antananarivo) ihany. Mpampianatra no raharaha nosafidiny. Ka raha vao nahatapitra ny fianarana ambaratonga faharoa izy (1931), dia nirotsaka tamin'ny fampianarana, ka tao amin'ny Misiona katolika Manjakandriana aloha (1932), dia tao amin' ny Kolejy Masi-Misely nampa¬nomana CESD (1933-1942), dia tao amin'ny Kolejy iray tsy miankina: Institution Vigny (1943-1946), ary niverina indray tao amin'ny Kolejy Masi-Misely, fa tamin'ny fampianarana ambaratonga faharoa (1947-1957).

Voaray hanao raharahan'ny Chef de cabinet tao amin'ny Ministeran'ny Fahasalamana izy (1957-1958), ary dia tafajanona tamin'ny fanjakana (sampana fampianarana) ka nomena toeran'ny mpi¬andraikitra lefitra tamin'ny sampan-draharaha iray vaovao (Centre d'études et d'information sur la langue et la civilisation malgaches), lady nampianatra sy niasa teny amin'ny Oniversite sy tamin'ny Lycées (1959-1973). Raim-pianakaviana izy tamin'ny taona 1942, nampakatra ho vadiny an-dRamatoa Julienne Razanajao, izay nanampy azy fatratra hatrany tamin'ny fa¬nomezana hery sy torohevitra. Niteraka dimy izy mivady ary telo ambin'ny folo ny zafikeliny ankehitriny. Tsy mpampianatra ihany anefa izy, fa mpanoratra ihany koa; maro karazana ireo boky nandaniany ron-doha tao anatin'ny dimampolo taona satria tamin'ny taona 1935 no nanoratany voalohany.

Fikambanana misy azy Union des Poètes et Ecrivains Malgaches: filohan' ny Fikambanana izy hatramin'ny taona niorenany (1952); Académie Malgache (hatramin'ny 1957); ankehitriny, Filoha lefitra amin'ny maha-Filohan'ny Sokajy voalohany azy.

Mari-boninahitra amam-pankasitrahana
Chevalier de l'Ordre du Mérite de Madagascar 1962
Mari-Pankasitrahana avy amin'ny Minisiteran'ny Fa nolokoloana sy Zavakanto Revolisionera 1981
Officier de l'Ordre des ARTS et des LETTRES (Ré publique française) 1981
Chevalier de l' Ordre National 1964
Officier de l'Ordre National 1978
Commandeur del' Ordre National 1983


REGIS RAJEMISA-RAOLISON est né à Antsirane (Diégo-Suarez) le 8 mai 1913. De nationalité Malgache. Il a fait ses études primaires à l'Ecole Officielle d'Ambinanindrano, puis chez les Frères Maristes à Betafo et à Antsirabe (1921-1922), et chez les Frères des Ecoles Chrétiennes à Ambositra e à Andohalo (1923-1924). Ses études secondaires au Séminaire d'Ambohipo Tananarive (1924-1931).
• 33 ans d'enseignement (1932-1965) dont 25 au Collège Saint-Michel.
• Fondateur et Rédacteur en chef de la REVUE DES JEUNES DE MADAGASCAR » (1935-1936).
• Fondateur et Rédacteur en chef, du jour¬nal bilingue politique et littéraire « ANI¬VON'NY RIAKA - L'ILE AUSTRALE » (1945-1948); Rédacteur en chef du «FEO MALAGASY - LA VOIX MALGACHE », organe du Mouvement Social Malgache (M.S.M.).
• Président du COMITÉ DE DEFENSE ET ILLUSTRATION DU PATRIMOINE CULTU¬REL ET LITTERAIRE MALGACHE (1958).
• Vice-Président (1956-1960), puis Prési-dent (depuis 1960) du COMITÉ DES A.P.E.L. de Tananarive.



 
 
Copyright : www.ambohimalaza-france.com