Tanàna ao atsinanan’Antananarivo,
sahabo ho 16 km. lalovan’ny
arabe Antananarivo-Toamasina, ery an-dafy atsinanan’ Ambohitromby,
sady an-kavoana tahaka azy. Ambohimalazabe - 3 km eo atsimon’Ambohimalaza
ankehitriny - no niandohany, fa tao no nahaterahan’Andriatompokoindrindra
sady ilevenany. ( Mba manaitra ihany ny teny indrindra eto mitovy
fanonona sy hevitra amin’ny teny angley hoe indeed- asa na
misy firaisam-pototra aby amin’ny sankrita any. Misy anarana
iray koa iantsoana an-dry zareo eny Ambohimalaza, dia ny hoe Zanatompo).
Tsy misy mponina intsony ao Ambohimalazabe ankehitriny, fa tanàna
haolo be kirihitra. Ralambo no nanorina an’Ambohimalazabe sy
nitoetra tao. Rehefa niamboho teo Alasora Andriamanelo rain-dRalambo,
dia Ambohimalazabe no nataony renivohitriny fanjakany, dia vao Ambohidrabiby
indray taty aoriana. Rabehavina ( na Ramarohavina, na Rafotsimarohavina
) vadin-dRalambo, dia niteraka an-dRavaomasina sy Andriantompokoindrindra.
Maty niteraka an’ Andriantompokoindrindra teny Ambohidrabiby
anefa hono Rabehavina reniny, ka dia nalevin-dRalambo any izy, fa
zafin’ny mpianadahy izy mivady ( misy mihevitra fa ity Rabehavina
dia zanaky ny anabavin-dRabiny raiben-dRalambo.
Andranonomby eo ambany andrefana atsimon’Ambohimalazabe no
nanaovan-dRalambo trano ho an’ny omby. Teo hono, hoy ry zareo
eny, no nanovàna ny anaran’ny jamoka ( na jomoka ) hoe
omby. Niady teo, hono, ireto ombilahy roa mavo sy mainty ka naratra
ilay mainty dia novonoina; nangalana hatono mba handramana ny henany,
ka hita fa tsara. Izany, hono, no nahalalan-dRalambo voalohany ny
hen’omby ( misy tantara sy lovan-tsofina hafa koa anefa );
ary mba ho fahatsiarovana izany, hono, no nanaovana ilay tsangambato
( vato ) sarin’omby atao hoe “Ombalahivato” ao
ambany avatr’Ambohimalaza.
Teo amin’ny atao hoe Ambohiboahangy ao koa , hono, no nividianan-dRalambo
voahangy tamin’ny Talaotra izay nataony famataram-piandrianana,
dia ny voahangy “sampan-dRalambo” izay. Teo koa hono
no nanaovany ( na nividianany ) elo mena voalohany, izay isan’ny
famantarana ny fiandrianana ( ny lovantsofina sasany milaza fa ny
elo mena dia tamin’ny andron’ Andriamasinavalona ).
Nony efa lehibe tety Ambohidrabiby Andriantompokoindrindra, dia nangataka
tamin-drainy izy honina eny Ambohimalazabe. Ny fasanan’ny reniny
sy ny vady aman-janany, dia milahatra eo ankavia sy ankavanan’ny
azy. Tsy fantatra marina izay ilevenan-dRabehavina vadin-dRalambo,
na eny Ambohidrabiby , araka ilay voalaza etsy aloha, na eo Ambohimalazabe.
Eo andrefanan’ ny tranomasin’ Andriantompokoindrindra
misy kianja ( 15 m ny lavany, 8m ny sakany ), izay ijiroan’ny
vatomasina eo afovoany. Eo amin’ny ala kelin’Ampamaho,
andrefan’ity kianja ity, ilay vato misy ny sora-panoron’ Andriantompokoindrindra,
izay voatanan’ny lovan-tsofina ho nitenenany hoe “Aoka
aloha aho hamono ny telo no dimy”.
Tamin’ny andron’ Andriambelomasina , hono, no nanorenana
ity tanàna Ambohimalaza ao ankehitriny, dia tokony ho tamin’ny
1730-1770. Eo no misy ny fasan’ny terak’ Andriantompokoindrindra,
mitambatra marobe eo. Vavahady roa no fidirana eo amin’ny tanàna
: ny iray eo andrefana avaratra, ny iray ao atsimo.
Mizara roa ny farintanin’Ambohimalaza: hatreo Ampasanjaza no
miatsinanana atao hoe terak’Andriandambotanimarina, na ny zanak’anabavy,
satria zana-dRavaomasina, anabavin’ Andriantompokoindrindra
Andriandambotanimarina; ny vakin-tany andrefana kosa dia atao hoe
ho an’ny zanaka nateraka, nefa dia samy Andriantompokoindrindra
izy roa tonta.
Zokin’Andrianjaka Andriantompokoindrindra, nefa noho izy adalam-panorona,
hoy ny lovan-tsofina, dia tsy nomen-drainy fanjakana, fa Andrianjaka
zandriny no nasandrany. Ry Dr. Rasamimanana kosa ao amin’ilay
bokiny ( J. Ambohidralambo ), milaza fa sitrapony ihany no tsy te
hanjaka, fa izao kosa no anjarany hoy izy : ho mpamaly kabary voalohany
indrindra; ny taranany no angalana voalohany izay ho vadin’ny
mpanjaka; hanana tranomasina eo amin’ny fasany; ho iray petsapetsa
ny taranak’izy sy Andrianjaka rahalahiny; homena menakely izy,
izay hampisotro rano sy hanala entana ary andevina azy. Ny taranany
no mamoha ny varavaran’ny Tranofitomiandalana amin’ny
Fandroana; ary dia tsy mitondra entan’andriana, tsy manao hazo
lava, tsy mihady tanimena , ets araka ny zon fanan’andriana
rahateo.
Andriantompokoindrindra koa, hono, no nanao voalohany ny tranomasina,
vao nanaraka Andrianjaka.
Efa teny Ambohimalaza Andrianampoinimerina nony efa nanjaka, ka namono
omby mainty teny hono, mba ho fanekena fa tsy ovana ny fitondrana
an’ Andriantompokoindrindra. Tamin’ny andron’Ilaidama,
dia nasiany sekoly teo Ambohimalaza, tamin’ny 1825. Tamin’ny
andron-dRanavalona I dia rano avy eny Ambohimalaza no nampiakarin’i
M. Jean Laborde ho eto Antananarivo. Mpandranto hatrin’ny ela,
midina any anindrana ( Toamasina indrindra ) no nahalaza ny Andriantompokoindrindra.
Misy fitenenana fahiny hoe : “Tehatehaka no an’Ambodisiny,
fa Ambohimalaza ihany no tompon’ny gora ( lamba )” ;
mpivaro-damba tompon’ny gora ambongadiny izy fony faha-tany
malagasy; ary mandrak’izao dia betsaka ny Ambohimalaza mpivarotra
eran’ny Nosy. Ny vehivavy dia mpahay dantelina fatratra, tahaka
an’Ambohimanga izay filohan’izany teto.
Misy fiangonana protestanta telo sy katolika iray ao. Raha vao nanomboka
asa kelikely taty ny Misionera M.P.F. ( 1897 ) dia nasiany fonena-misionera
tany Ambohimalaza, ary fatratra ny asa fanasoavana vitan’i
Mlle Deriaz tao; nandroso dia nandroso ny sekoly protestanta.
Zava-dray
loha mampiavaka ny Andriantompokoindrindra hatrany am-boalohany :
izy tsy mety mifanambady amim-poko hafa, nahatonga ny fisiana karazan’olona
manokana, mora fantatra amin’ny toetr’endriny – somary
vorivory - sy ny volon-kodiny, fotsy ( na dia misy ihany koa tsy
toy izany amin’ny fianakaviana sasany aminy ). Taty aoriandriana
vao nisy fivahavahàna kely izany, na noho ny antony momba
ny tsi-fahatsaran’ny fifanambadian’ny mpihavana akaiky
loatra, na vokatry ny fioavan’ny fomban-tany vaovao.
Ravoavahy, avy eo Ambohimalaza, no malagasy fantatra ho nividy aotomobily
voalohany indrindra teto Madagaskara.
|