www.ambohimalaza-france.com  

Mise à jour : le 05/03/2012

Extrait du Firaketana . 25 Janvier 1939
P. 352
Ambohimalaza
.
 


Tanàna ao atsinanan’Antananarivo, sahabo ho 16 km. lalovan’ny arabe Antananarivo-Toamasina, ery an-dafy atsinanan’ Ambohitromby, sady an-kavoana tahaka azy. Ambohimalazabe - 3 km eo atsimon’Ambohimalaza ankehitriny - no niandohany, fa tao no nahaterahan’Andriatompokoindrindra sady ilevenany. ( Mba manaitra ihany ny teny indrindra eto mitovy fanonona sy hevitra amin’ny teny angley hoe indeed- asa na misy firaisam-pototra aby amin’ny sankrita any. Misy anarana iray koa iantsoana an-dry zareo eny Ambohimalaza, dia ny hoe Zanatompo).

Tsy misy mponina intsony ao Ambohimalazabe ankehitriny, fa tanàna haolo be kirihitra. Ralambo no nanorina an’Ambohimalazabe sy nitoetra tao. Rehefa niamboho teo Alasora Andriamanelo rain-dRalambo, dia Ambohimalazabe no nataony renivohitriny fanjakany, dia vao Ambohidrabiby indray taty aoriana. Rabehavina ( na Ramarohavina, na Rafotsimarohavina ) vadin-dRalambo, dia niteraka an-dRavaomasina sy Andriantompokoindrindra. Maty niteraka an’ Andriantompokoindrindra teny Ambohidrabiby anefa hono Rabehavina reniny, ka dia nalevin-dRalambo any izy, fa zafin’ny mpianadahy izy mivady ( misy mihevitra fa ity Rabehavina dia zanaky ny anabavin-dRabiny raiben-dRalambo.

Andranonomby eo ambany andrefana atsimon’Ambohimalazabe no nanaovan-dRalambo trano ho an’ny omby. Teo hono, hoy ry zareo eny, no nanovàna ny anaran’ny jamoka ( na jomoka ) hoe omby. Niady teo, hono, ireto ombilahy roa mavo sy mainty ka naratra ilay mainty dia novonoina; nangalana hatono mba handramana ny henany, ka hita fa tsara. Izany, hono, no nahalalan-dRalambo voalohany ny hen’omby ( misy tantara sy lovan-tsofina hafa koa anefa ); ary mba ho fahatsiarovana izany, hono, no nanaovana ilay tsangambato ( vato ) sarin’omby atao hoe “Ombalahivato” ao ambany avatr’Ambohimalaza.

Teo amin’ny atao hoe Ambohiboahangy ao koa , hono, no nividianan-dRalambo voahangy tamin’ny Talaotra izay nataony famataram-piandrianana, dia ny voahangy “sampan-dRalambo” izay. Teo koa hono no nanaovany ( na nividianany ) elo mena voalohany, izay isan’ny famantarana ny fiandrianana ( ny lovantsofina sasany milaza fa ny elo mena dia tamin’ny andron’ Andriamasinavalona ).

Nony efa lehibe tety Ambohidrabiby Andriantompokoindrindra, dia nangataka tamin-drainy izy honina eny Ambohimalazabe. Ny fasanan’ny reniny sy ny vady aman-janany, dia milahatra eo ankavia sy ankavanan’ny azy. Tsy fantatra marina izay ilevenan-dRabehavina vadin-dRalambo, na eny Ambohidrabiby , araka ilay voalaza etsy aloha, na eo Ambohimalazabe.

Eo andrefanan’ ny tranomasin’ Andriantompokoindrindra misy kianja ( 15 m ny lavany, 8m ny sakany ), izay ijiroan’ny vatomasina eo afovoany. Eo amin’ny ala kelin’Ampamaho, andrefan’ity kianja ity, ilay vato misy ny sora-panoron’ Andriantompokoindrindra, izay voatanan’ny lovan-tsofina ho nitenenany hoe “Aoka aloha aho hamono ny telo no dimy”.

Tamin’ny andron’ Andriambelomasina , hono, no nanorenana ity tanàna Ambohimalaza ao ankehitriny, dia tokony ho tamin’ny 1730-1770. Eo no misy ny fasan’ny terak’ Andriantompokoindrindra, mitambatra marobe eo. Vavahady roa no fidirana eo amin’ny tanàna : ny iray eo andrefana avaratra, ny iray ao atsimo.

Mizara roa ny farintanin’Ambohimalaza: hatreo Ampasanjaza no miatsinanana atao hoe terak’Andriandambotanimarina, na ny zanak’anabavy, satria zana-dRavaomasina, anabavin’ Andriantompokoindrindra Andriandambotanimarina; ny vakin-tany andrefana kosa dia atao hoe ho an’ny zanaka nateraka, nefa dia samy Andriantompokoindrindra izy roa tonta.

Zokin’Andrianjaka Andriantompokoindrindra, nefa noho izy adalam-panorona, hoy ny lovan-tsofina, dia tsy nomen-drainy fanjakana, fa Andrianjaka zandriny no nasandrany. Ry Dr. Rasamimanana kosa ao amin’ilay bokiny ( J. Ambohidralambo ), milaza fa sitrapony ihany no tsy te hanjaka, fa izao kosa no anjarany hoy izy : ho mpamaly kabary voalohany indrindra; ny taranany no angalana voalohany izay ho vadin’ny mpanjaka; hanana tranomasina eo amin’ny fasany; ho iray petsapetsa ny taranak’izy sy Andrianjaka rahalahiny; homena menakely izy, izay hampisotro rano sy hanala entana ary andevina azy. Ny taranany no mamoha ny varavaran’ny Tranofitomiandalana amin’ny Fandroana; ary dia tsy mitondra entan’andriana, tsy manao hazo lava, tsy mihady tanimena , ets araka ny zon fanan’andriana rahateo. Andriantompokoindrindra koa, hono, no nanao voalohany ny tranomasina, vao nanaraka Andrianjaka.

Efa teny Ambohimalaza Andrianampoinimerina nony efa nanjaka, ka namono omby mainty teny hono, mba ho fanekena fa tsy ovana ny fitondrana an’ Andriantompokoindrindra. Tamin’ny andron’Ilaidama, dia nasiany sekoly teo Ambohimalaza, tamin’ny 1825. Tamin’ny andron-dRanavalona I dia rano avy eny Ambohimalaza no nampiakarin’i M. Jean Laborde ho eto Antananarivo. Mpandranto hatrin’ny ela, midina any anindrana ( Toamasina indrindra ) no nahalaza ny Andriantompokoindrindra. Misy fitenenana fahiny hoe : “Tehatehaka no an’Ambodisiny, fa Ambohimalaza ihany no tompon’ny gora ( lamba )” ; mpivaro-damba tompon’ny gora ambongadiny izy fony faha-tany malagasy; ary mandrak’izao dia betsaka ny Ambohimalaza mpivarotra eran’ny Nosy. Ny vehivavy dia mpahay dantelina fatratra, tahaka an’Ambohimanga izay filohan’izany teto.

Misy fiangonana protestanta telo sy katolika iray ao. Raha vao nanomboka asa kelikely taty ny Misionera M.P.F. ( 1897 ) dia nasiany fonena-misionera tany Ambohimalaza, ary fatratra ny asa fanasoavana vitan’i Mlle Deriaz tao; nandroso dia nandroso ny sekoly protestanta.

Zava-dray loha mampiavaka ny Andriantompokoindrindra hatrany am-boalohany : izy tsy mety mifanambady amim-poko hafa, nahatonga ny fisiana karazan’olona manokana, mora fantatra amin’ny toetr’endriny – somary vorivory - sy ny volon-kodiny, fotsy ( na dia misy ihany koa tsy toy izany amin’ny fianakaviana sasany aminy ). Taty aoriandriana vao nisy fivahavahàna kely izany, na noho ny antony momba ny tsi-fahatsaran’ny fifanambadian’ny mpihavana akaiky loatra, na vokatry ny fioavan’ny fomban-tany vaovao.

Ravoavahy, avy eo Ambohimalaza, no malagasy fantatra ho nividy aotomobily voalohany indrindra teto Madagaskara.

 
Copyright : www.ambohimalaza-france.com